Daniel 8:13 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandre ny masina iray niteny aho, ary hoy ny masina iray koa tamin’ilay niteny: Mandra-pahoviana no haharetan’ny fahitana ny amin’ny fanatitra isanandro sy ny fahotana mahatonga fandravana ary ny fitoerana masina sy ny tafika voatolotra sady voahitsakitsaka?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»
Malagasy Bible 1865
Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandre ny masina iray niteny aho, ary hoy ny masina iray koa tamin’ilay niteny: Mandra-pahoviana no haharetan’ny fahitana ny amin’ny fanatitra isanandro sy ny fahotana mahatonga fandravana ary ny fitoerana masina sy ny tafika voatolotra sady voahitsakitsaka?
malagasy
Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]