Daniel 8:3 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natopiko ny masoko ka hitako fa indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ny ony ary nanana tandroka roa izy; lava ireo tandroka ireo, ary ny iray dia lava noho ny iray, nefa ilay lavalava kokoa no nipoitra taoriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampifantoka ny masoko hijery aho ka indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ilay renirano sady nanana tandroka roa. Lava ireo tandroka ireo, nefa ilay nitsimoka taoriana no lava kokoa noho ny anankiray.
Malagasy Bible 1865
Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natopiko ny masoko ka hitako fa indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ny ony ary nanana tandroka roa izy; lava ireo tandroka ireo, ary ny iray dia lava noho ny iray, nefa ilay lavalava kokoa no nipoitra taoriana.
malagasy