Daniel 9:24 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Herinandro fitopolo no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hampijanonana ny fahadisoana sy hampitsaharana ny fahotana, hanaovana fanavotana noho ny heloka sy hampidirana fahamarinana mandrakizay, mba hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany, ary hatao ny fanosorana olona iray izay masina indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.
Malagasy Bible 1865
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Herinandro fitopolo no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hampijanonana ny fahadisoana sy hampitsaharana ny fahotana, hanaovana fanavotana noho ny heloka sy hampidirana fahamarinana mandrakizay, mba hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany, ary hatao ny fanosorana olona iray izay masina indrindra.
malagasy
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra.[Heb. hanisy tombo-kase][Heb. mpaminany]