Daniel 9:25 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny fanosorana mpanapaka iray dia misy herinandro fito. Mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny hady, kanefa ao anatin’ny tebiteby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.
Malagasy Bible 1865
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny fanosorana mpanapaka iray dia misy herinandro fito. Mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny hady, kanefa ao anatin’ny tebiteby.
malagasy
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[Na: ilay andriana voahosotra][Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]