Daniel 9:26 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny lehilahy voahosotra iray ka tsy hisy hiaro azy; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny fiafarany dia ho avy toy ny tondra-drano; hatramin’ny faran’ny ady dia hisy fandravana voatendry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny lehilahy voahosotra iray ka tsy hisy hiaro azy; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny fiafarany dia ho avy toy ny tondra-drano; hatramin’ny faran’ny ady dia hisy fandravana voatendry.
malagasy
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava. [Na: eo an-tampon'][Na: ny efa lao]