Deuteronomy 1:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nalaiko ny lohan’ny fokonareo, izay olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ny fokonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naka ny lohan’ny fokonareo aho, izay olon-kendry sy hita toetra ka nataoko mpifehy anareo, ho tomponarivo, tompon-jato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo, ary ho mpitsara amin’ny fokonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nalaiko ny lohan’ny fokonareo, izay olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ny fokonareo.
malagasy