Deuteronomy 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’izany andro izany aho hoe: Henoy ny adin’ny rahalahinareo, dia tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany na ny vahiny eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay koa no nomeko izao didy izao ny mpitsara anareo: Henoy ny rahalahinareo, ka tsarao ara-drariny izay zavatra ifanolanan’izy ireo sy ny rahalahiny samy izy, na izy sy ny vahiny mitoetra aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay koa aho no namoaka didy ho an’ny mpitsaranareo ka nanao hoe: «Henoy ny fifanolanan’ny mpiray firenena aminareo, ka tsarao ara-drariny izany, na ho azy samy Israelita, na ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’izany andro izany aho hoe: Henoy ny adin’ny rahalahinareo, dia tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany na ny vahiny eo aminy.
malagasy
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.