Deuteronomy 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niala tany Horeba isika dia nandeha namakivaky ilay tany efitra lehibe sady mahatahotra izay hitanareo teny amin’ny lalana mankany amin’ny tany be havoana an’ny Amorita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika isika; dia tonga tao Kadesy-Barnea isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nony niala tany Horeba isika, dia namaky ilay efitra malalaka sy mahatsiravina hitanareo nankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreana, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo antsika, ka tonga tany Kadesa-Barne.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala tany Hôreba isika, araka ny nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,
Malagasy Bible 1865
Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niala tany Horeba isika dia nandeha namakivaky ilay tany efitra lehibe sady mahatahotra izay hitanareo teny amin’ny lalana mankany amin’ny tany be havoana an’ny Amorita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika isika; dia tonga tao Kadesy-Barnea isika.
malagasy