Deuteronomy 1:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
indro, efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka raiso ho lovanao, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ataon’i Iaveh Andriamanitrao eo anatrehanao izany tany izany, ka iakaro izy, dia alao ny zanakao, araka ny efa voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao; aza matahotra na mivadi-po akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ataon’ny TOMPO Andriamanitrareo eo anoloanareo izany tany izany; iakaro izy ka alao ho fanananareo, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mivadi-po akory!»
Malagasy Bible 1865
indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.