Deuteronomy 1:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo hoe: Halan’NY TOMPO isika, ary izany no nitondrany antsika niala avy tany Ejipta mba hanolorany antsika eo an-tanan’ny Amorita ka handringanany antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: «Noho isika halan’ny TOMPO no nitondrany antsika hiala tany Ejipta. Te hanolotra antsika eo an-tanan’ny Amôrita Izy mba handringanana antsika.
Malagasy Bible 1865
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo hoe: Halan’NY TOMPO isika, ary izany no nitondrany antsika niala avy tany Ejipta mba hanolorany antsika eo an-tanan’ny Amorita ka handringanany antsika.
malagasy
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.