Deuteronomy 1:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho aiza no hiakarantsika? Efa nanaketraka ny fontsika ny rahalahintsika tamin’ny nilazany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tany aza ny Anakita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aiza no hiakarantsika? Fa efa nahaosa ny fontsika loatra ny nilazan’ny rahalahintsika hoe: Ny firenena ao, dia sady vaventy no lava noho isika, ny tanàna lehibe, ary avo manakatra ny lanitra ny mandany; ary ny taranaky ny Enakima aza efa hitanay tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin’ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak’i Hanàka!»
Malagasy Bible 1865
Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho aiza no hiakarantsika? Efa nanaketraka ny fontsika ny rahalahintsika tamin’ny nilazany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tany aza ny Anakita.
malagasy