Deuteronomy 1:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tany an-tany efitra, izay nahitanao ny fitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ny olona ny zanany, dia teny amin’ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tany an’efitra koa; ary hitanao tao izay nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa toy ny fitondran’ny olona ny zanany, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, hatramin’ny nahatongavanareo amin’ity toerana ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin’ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran’ny olona ny zanany ianareo, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin’ity toerana ity.»
Malagasy Bible 1865
ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tany an-tany efitra, izay nahitanao ny fitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ny olona ny zanany, dia teny amin’ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity.
malagasy