Deuteronomy 1:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakareo madinika izay nolazainareo fa ho babo, ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’izao andro izao, izy ireo no hiditra any, izy ireo no homeko ny tany ary izy ireo no handova azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny zanakareo madinika izay nolazainareo hoe lasan-ko babo, ny zanakareo mbola tsy mahalala izay tsara sy ratsy ankehitriny, dia ireo no hiditra any, ireo no homeko azy, ary ireo no hanana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakareo nolazainareo fa ho babom-pahavalo, eny, ny zanakareo tsy mbola mahay manavaka izay tsara sy ratsy amin’izao andro izao, dia ireo no hiditra izany tany izany, ireo no homeko azy, ireo no hanana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakareo madinika izay nolazainareo fa ho babo, ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’izao andro izao, izy ireo no hiditra any, izy ireo no homeko ny tany ary izy ireo no handova azy.
malagasy