Deuteronomy 1:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly ahy ianareo hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO izahay; hiakatra ihany izahay dia hiady, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’i Iaveh izahay! Koa hiakatra ihany izahay, dia hiady araka izay rehetra efa nandidian’i Iaveh Andriamanitsika antsika. Dia samy namehy fiadiana teny am-balahana ianareo tsirairay avy, ka nioman-kananika ny tendrombohitra tsy amim-piheverana akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho setrin’izany kosa dia hoy ianareo tamiko: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay! Hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO Andriamanitray anay.» Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho mora ny hananika izany faritra havoana izany.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly ahy ianareo hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO izahay; hiakatra ihany izahay dia hiady, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
malagasy