Deuteronomy 1:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’io tendrombohitra io, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny renitantely, dia nandringana anareo tany Seìra ka hatrany Horma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amôreana izay monina amin’izany tendrombohitra izany, ka notanahiny ianareo toy ny fanaon’ny renitantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo niainga hiady aminareo ny Amôrita izay nonina tamin’izany faritra havoana izany, dia nandresy anareo tao Sehîra ka tahaka ny andian-drenitantely ireo no nanenjika anareo hatrany Hôrmà.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’io tendrombohitra io, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny renitantely, dia nandringana anareo tany Seìra ka hatrany Horma.
malagasy
Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.