Deuteronomy 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
miaingà ianareo dia mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitry ny Amorita sy any amin’izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tendrombohitra, any Sefela, any Negeva sy ny moron’ny ranomasina, dia any amin’ny tanin’ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka mihodìna dia miaingà; mandehana mankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreana sy any amin’ny manodidina azy rehetra, any amin’i Arabaha, any amin’ny Tendrombohitra, any amin’i Sefelà, any amin’ny Negeba, any amoron’ny ranomasina, any amin’ny tanin’ny Kananeanina ary any Libàna, hatrany amin’ny ony lehibe dia ny ony Eofrata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Malagasy Bible 1865
mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
miaingà ianareo dia mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitry ny Amorita sy any amin’izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tendrombohitra, any Sefela, any Negeva sy ny moron’ny ranomasina, dia any amin’ny tanin’ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
malagasy