Deuteronomy 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany; idiro ka raiso ho lovanao ny tany izay efa nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, ataoko eo anoloanareo izany tany izany, ka mandehana, alaovy hanananareo azy, ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba rainareo, homena azy, dia ho azy ireo sy ny taranany mandimby azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.»
Malagasy Bible 1865
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.