Deuteronomy 10:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no andrasan’NY TOMPO Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no andrasan’NY TOMPO Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo,
malagasy
[Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,