Deuteronomy 10:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’i Iaveh ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy
Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.