Deuteronomy 10:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no fideranao ary Izy no Andriamanitrao izay efa nanatanteraka ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, dia ireo izay efa hitan’ny masonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ny zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny.
Malagasy Bible 1865
Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no fideranao ary Izy no Andriamanitrao izay efa nanatanteraka ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, dia ireo izay efa hitan’ny masonao.
malagasy
Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.