Deuteronomy 10:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Teny Folo izay nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia nomen’NY TOMPO ahy ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosoratany teo amin’ireo takelaka ireo izay voasoratra tamin’ny voalohany, dia ny teny folo, izay efa nolazain’i Iaveh taminareo, teny an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia natolotr’i Iaveh ahy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nosoratan’ny TOMPO teo amin’ireo takela-bato ireo izay voasoratra tamin’ny takela-bato teo aloha, dia ny didy folo nampitain’ny TOMPO taminareo; tao an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo, no nilazany an’ireny taminareo fony ianareo vory ho fivondronambe; dia nomen’ny TOMPO ahy ireo takela-bato ireo.
Malagasy Bible 1865
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Teny Folo izay nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia nomen’NY TOMPO ahy ireny.
malagasy