Deuteronomy 10:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’io andro io no nanokanan’NY TOMPO ny fokon’i Levy hitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy hijoro eo anatrehan’NY TOMPO, hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anarany, mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny fokon’i Levỳ no natokan’ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan’ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin’ny anarany. Mbola ataon’ny levîta ireo raharaha ireo mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’io andro io no nanokanan’NY TOMPO ny fokon’i Levy hitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy hijoro eo anatrehan’NY TOMPO, hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anarany, mandraka androany.
malagasy