Deuteronomy 11:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny tany izay hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta, izay nialanareo, izay namafazanao voan-javatra sy nandeman’ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolena anana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin’ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an’i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin’ny voly anana.
Malagasy Bible 1865
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny tany izay hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta, izay nialanareo, izay namafazanao voan-javatra sy nandeman’ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolena anana.
malagasy
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.