Deuteronomy 11:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mankatò ny didiko, izay andidiako anareo anio ianareo amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo sy amin’ny fanompoana Azy amin’ny fonareo rehetra, sy amin’ny fanahinareo rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tena hankatoavinareo ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo,
Malagasy Bible 1865
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo,
malagasy
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,