Deuteronomy 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka hanampina ny lanitra Izy, ary tsy hisy ranonorana, sady tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana haingana tsy ho eo amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO anareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka ny lanitra hohidiany ary tsy hisy ranonorana; ny tany tsy hahavanona ny vokany, ary ianareo ho lany ringana faingana any amin’ny tany soa omen’i Iaveh anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hirehetan’ny fahatezeran’ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin’ny tany soa izay homen’ny TOMPO anareo.
Malagasy Bible 1865
ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka hanampina ny lanitra Izy, ary tsy hisy ranonorana, sady tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana haingana tsy ho eo amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO anareo ianareo.
malagasy