Deuteronomy 11:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba ho maro toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba ho maro toy ny andron’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razanareo homena azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho maro andro ianareo sy ny taranakareo eny amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’ny razambenareo homena azy; eny, ho maro andro tahaka ny aharetan’ny lanitra eo ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba ho maro toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
malagasy
mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.