Deuteronomy 11:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’NY TOMPO Andriamanitrareo azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy olona hahatoha anareo fa araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, dia handatsaka tahotra sy horohoro amin’ny tany rehetra hodiavinareo Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisy hahatohitra anareo fa hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo, araka ny nampanantenainy anareo.
Malagasy Bible 1865
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’NY TOMPO Andriamanitrareo azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
malagasy
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.