Deuteronomy 11:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ozona, raha tsy manaiky ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin’ny lalana izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ho voaozona kosa ianareo raha tsy mankatò ireo didin’ny TOMPO Andriamanitrareo fa mivily hiala ny lalana izay soritako ho anareo ka hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo.
Malagasy Bible 1865
ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo.
malagasy