Deuteronomy 11:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay alehanao holovana, dia fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima ary fanozonana kosa raha eo an-tendrombohitra Ebala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao, any amin’ny tany izay halehanao hakana azy ho fanananao, dia tonòny eo an-tendrombohitra Garizima ny tso-drano ary eo an-tendrombohitra Ebàla kosa ny ozona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo hahatafiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, dia ny fitahiana no tonony eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny ozona kosa tonony ao an-tendrombohitra Hebala.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay alehanao holovana, dia fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima ary fanozonana kosa raha eo an-tendrombohitra Ebala.
malagasy