Deuteronomy 11:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy any andafin’i Jordana va ireo tendrombohitra ireo, any ankoatra ny lalana andrefana, amin’ny tanin’ny Kananita, izay monina ao amin’ny tany ngazana tandrifin’i Gilgala, eo anilan’ny hazo terebintan’i More?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo tendrombohitra roa ireo, dia moa tsy any an-dafin’i Jordany ambadiky ny lalana mihazo any andrefana, any amin’ny tanin’ny Kananeanina, monina amin’ny Arabaha, tandrifin’i Galgalà, akaikin’ny terebintan’i Môre?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
(I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan’ny ony Jôrdàna, any amparan’ny lalana miankandrefana, eo amin’ny tanin’ireo Kanahanîta monina ao amin’ny faritr’i Harabà; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin’ny ôakan’i Môrà, tandrifin’i Gilgala).
Malagasy Bible 1865
Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy any andafin’i Jordana va ireo tendrombohitra ireo, any ankoatra ny lalana andrefana, amin’ny tanin’ny Kananita, izay monina ao amin’ny tany ngazana tandrifin’i Gilgala, eo anilan’ny hazo terebinta* n’i More?
malagasy
Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?