Deuteronomy 11:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay nataony tamin’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba, zanak’i Robena, teo amin’ny Israely rehetra, dia ilay nisokafan’ny tany sy nitelemany azy mbamin’ny ankohonany sy ny tranolainy ary ny zavamananaina izay nomba azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay nataony tamin’i Datàna sy i Abirôna zanak’i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin’ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.
Malagasy Bible 1865
ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay nataony tamin’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba, zanak’i Robena, teo amin’ny Israely rehetra, dia ilay nisokafan’ny tany sy nitelemany azy mbamin’ny ankohonany sy ny tranolainy ary ny zavamananaina izay nomba azy;
malagasy