Deuteronomy 12:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izao ny didy sy fitsipika izay hotandremanareo ka harahinareo any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ny tany:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao no lalàna amam-pitsipika izay tsy maintsy arahinareo tsara any amin’ny tany izay efa nianianan’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo homena ho fanananareo amin’ny andro rehetra hiainanareo amin’izany tany izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto no lalàna amam-pitsipika izay himasoanareo hotanterahina any amin’ny tany izay homen’ny TOMPO, Andriamanitry ny razambenareo, ho fanananareo; amin’ny andro rehetra hiainanareo eto an-tany no himasoanareo hotanterahina ireo lalàna amam-pitsipika ireo.
Malagasy Bible 1865
IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izao ny didy sy fitsipika izay hotandremanareo ka harahinareo any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ny tany:
malagasy
[Ny amin'ny handravana izay zavatra momba ny fivavahana amin'ny sampy, ary ny amin'ny hivavahana amin'Andriamanitra ao amin'izay tany fidiny] IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.