Deuteronomy 12:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’NY TOMPO.
malagasy