Deuteronomy 12:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’NY TOMPO Andriamanitrao izay omeny anao; na ny olona tsy madio na ny madio, dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mamono zavatra sy mihinana ny henany anefa, dia azonao atao araka izay tianao any anatin’ny vavahadinao rehetra any, araka ny fanambinana homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka samy mahazo mihinana amin’izany ny olona, na ny madio na ny maloto, toy ny fihinana gazela sy serfa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, eny amin’ny tanàna rehetra onenanareo, dia mahazo mamono biby amin’izay fotoana tianareo ianareo sy mihinana ny henany, arakaraka ny fitahiana nomen’ny TOMPO anareo; na ny olona maloto ara-pivavahana na ny madio, dia samy mahazo mihinana amin’izany, tahaka ny ahazoany mihinana gazela sy ombimanga.
Malagasy Bible 1865
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin'ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’NY TOMPO Andriamanitrao izay omeny anao; na ny olona tsy madio na ny madio, dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
malagasy