Deuteronomy 12:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanatitrao an-tsitrapo, na ny fanomezana atolotrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy azonao hanina ao anaty vavahadinao ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao, ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, ny fanolorana rehetra nanaovanao voady, ny fanatitra an-tsitraponao, ny voatokan’ny tananao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy azonareo hanina ao an-tanànanareo ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka novokarinareo, ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo, ny zavatra rehetra nataonareo voady, ny fanati-tsitraponareo ary ny fitia tsy mba hetra foinareo.
Malagasy Bible 1865
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanatitrao an-tsitrapo, na ny fanomezana atolotrao.
malagasy