Deuteronomy 12:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ary ny levita izay ao an-tanànanao; hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra noharìn’ny tananao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fitoerana voafidin’i Iaveh Andriamanitrao no hihinananao azy, dia ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny zanakao vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinao, mbamin’ny Levita ao anatin’ny vavahadinao, dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’ny fizakana ny harena rehetra harin-tananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa eo anoloan’ny Toeramasina, ao amin’ny faritra nofidian’ilay TOMPO Andriamanitrareo, no hihinana izany ianareo mbamin’ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanànanareo; eny, hifaly eo anoloan’ny Toeramasin’ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’izay fiharian-karena rehetra nataonareo.
Malagasy Bible 1865
Fa eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra hanin'ny tananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ary ny levita izay ao an-tanànanao; hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra noharìn’ny tananao.
malagasy