Deuteronomy 12:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin’ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
malagasy
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.