Deuteronomy 12:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nitarihan’i Iaveh araka ny nampanantenainy anao ny faritry ny taninao, ka hoy ianao: te-hihinan-kena aho, fa mahatsiaro liana te-hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena isaky ny maniry izany ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitarin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo araka ny nampanantenainy taminareo, raha maniry mafy hihinan-kena ianareo, dia mahazo mihinana araka izay tianareo.
Malagasy Bible 1865
Raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin'ny fanahinao ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao.
malagasy