Deuteronomy 12:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha lavitra anao ny fitoerana nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hametrahana ny Anarany, azonao amonoana ny omby sy ny ondrinao izay nomen’i Iaveh anao, araka ny efa nandidiako anao; ary hihinana izany eo anatin’ny vavahadinao isaky ny maniry izany ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha lavitra anareo loatra ny toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny, dia azonareo amonoana ny omby sy ondry aman’osy nomen’ny TOMPO anareo, araka izay efa nandidiako anareo, ary hohaninareo ao an-tanànanareo araka izay tianareo izany.
Malagasy Bible 1865
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin'ny fanahinao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany.
malagasy