Deuteronomy 12:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia horavanareo ny alitarany, hovakivakînareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, ary hokapainareo ny sarin-tsampy voasokitra izay andriamaniny; ka hofoananareo ny fahatsiarovana ireny andriamanitra sampy ireny eo amin’izany toerana izany.
Malagasy Bible 1865
Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany* ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
malagasy
Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.