Deuteronomy 12:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voaringana eo anoloanareo ireny, dia mitandrema fandrao ho voafandrika hanaraka ny fanaony ianareo; mitandrema fandrao hamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianareo sy hanontany izay fomba nanompoany azy mba hanaovanareo toy izany koa.
Malagasy Bible 1865
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany.
malagasy
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.