Deuteronomy 12:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza anaovanareo fomba toy izany ilay TOMPO Andriamanitrareo, satria zavatra mahatsiravina sy halan’ny TOMPO no nataon-dry zareo tamin’ny andriamaniny fa hatramin’ny zanany lahy sy vavy aza dia nodorany forehitra tao anaty afo hanajana ny andriamaniny!
Malagasy Bible 1865
Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.
malagasy