Deuteronomy 12:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Any no hitondranareo ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitrareo an-tsitrapo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao no hanateranareo ny soronareo dorana, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo ary ny voatokan’ny tananareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao no hitondranareo ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny fanalàm- boadinareo, ny fanati-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Any no hitondranareo ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitrareo an-tsitrapo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo;
malagasy