Deuteronomy 12:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo; ary aoka hifaly ianareo amin’izay rehetra noharìn’ny tananareo, izay efa nitahian’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao ianareo sy ny ankohonanareo no hanao sakafo sy hifaly eo anoloan’ny Toeramasin ’ilay TOMPO Andriamanitrareo noho ny fiharian-karena rehetra nitahiany anareo.
Malagasy Bible 1865
ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo; ary aoka hifaly ianareo amin’izay rehetra noharìn’ny tananareo, izay efa nitahian’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
malagasy
ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.