Deuteronomy 13:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia asio amin’ny sabatra ho faty ny mponina sy ny biby fiompy amin’io tanàna io ka ataovy levona tanteraka ny tanàna sy izay rehetra eo aminy:
Malagasy Bible 1865
dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra.