Deuteronomy 13:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
malagasy