Deuteronomy 13:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka tsy hisy hataon’ny tananao fihi-mamba ny zavatra efa nafoy holevonina, mba hitsaharan’ny TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra; dia hamindrany fo tokoa ianareo ary hohamaroiny araka ny nampanantenainy ombàm-pianianana tamin’ny razambenareo,
Malagasy Bible 1865
Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao, raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao,
malagasy
Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao,raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.