Deuteronomy 13:19 — Compare Translations

4 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
raha hohenoinareo ny feon’ny TOMPO Andriamanitrareo ka hotandremanareo ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo mba hanatanterahana izay mahitsy eo imasony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao.
malagasy
raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.