Deuteronomy 13:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaraha NY TOMPO Andriamanitrareo ka aoka Izy no hatahoranareo, ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Malagasy Bible 1865
Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaraha NY TOMPO Andriamanitrareo ka aoka Izy no hatahoranareo, ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
malagasy
Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.