Deuteronomy 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hovonoina ho faty satria efa nanao teny fampikomiana amin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo niala avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanavotra anao tamin’ny trano nanandevozana, mba hitaona anao hiala amin’ny lalana izay nasain’NY TOMPO Andriamanitrao halehanao. Dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny vehivavy izay am-pofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatrao na ny razanao akory,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin’ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin’ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin’ny sori-dàlana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.
Malagasy Bible 1865
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hovonoina ho faty satria efa nanao teny fampikomiana amin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo niala avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanavotra anao tamin’ny trano nanandevozana, mba hitaona anao hiala amin’ny lalana izay nasain’NY TOMPO Andriamanitrao halehanao. Dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
malagasy